
1 NY fahendrena efa manao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; 

2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; 

3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanna izy ka manao hoe: 

4 Izay kely saina, dia aoka izy hankat; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: 

5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. 

6 Ilaozy ny [Na: Mitsahara, ry] kely saina, dia ho velona hianao, Ary mizora amin'ny llan'ny fahalalana. 

7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. 

8 Aza mananatra ny mpaniratsira hianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao. 

9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. 

10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. 

11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. 

12 Raha hendry hianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa hianao, dia hianao ihany no hiharan'izany. 

13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavana; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. 

14 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanna, 

15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe: 

16 Aoka hivily aty izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: 

17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana, 

18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] ny olona nasainy.
